Fahasalamana

Masoivohon’i Monaco Mandray an-tanana ny ankizy ôtista Malagasy


  • Zoma 30 Novambra 2018

Anisan`ny mahazo vahana eto Madagasikara ny otisma (autisme). Tamin`ity taona ity, ankizy miisa 5 ahiana ho otista no nahazo fitiliana (bilan) maimaimpoana tany Toamasina.

 

 

 Nisy ihany koa ny fanofanana maimaimpoana momba ny otisma, nomena ho an’ireo tompon’andraikitry ny sekoly, ireo ivontoerana mandray ankizy sy ireo mpiasan’ny fahasalamana sasany. Nisy ny fanentanana natao tamin’ny mponina, momba ny otisma hatrany. Vokatry ny fiaraha-miasa iarahana amin’ny masoivohon’i Monaco eto amintsika, izay niara-niasa tamin’ny fikambanana “Autisme Madagascar” hatramin’ny taona 2016. Isan-taona, misitraka  3 500 000 ariary ny fikambanana ka nahafahana nanatontosa lahasa maro, izay mifandraika amin’ny fandraisana an-tanana an’ireo ankizy otista eto Madagasikara. Tsiahivina fa ny  taona 2016, ankizy ahiana ho otista maherin’ny 75 isa no nozahan’ny (diagnostique)  manampahaizana isan-tsokajiny avy eto an-toerana sy avy any ivelany. Ny taona 2017 dia anisan’ny nampiasana an’izany vola fanampiana izany ny fanofanana an’ireo mpikambana mpilatsaka an-tsitrapo ao anatin’ny Autisme Madagascar sy ny fiarahana midinika tamin’ireo ray aman-dreny manan-janaka otista, tany Antsirabe sy Moramanga. Faritra 7 no ahitana ny Autisme Madagascar ary antenain’izy ireo ny hitohizan’ny fiaraha-miasa amin’ny masoivohon’i Monaco hatrany, amin’iny taona 2019 ho avy iny. Miteraka olana ho an’ireo ray aman-dreny manana zaza otista ny fitaizana, indrindra raha eo anivon’ny fiarahamonina. Voailika amin’ny fifandraisana eo amin’ny fiarahamonina ireo zaza manana kilema satria tsy misy ankizy feno mety hiara-kilalao amin’izy ireo. 

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT