Fahasalamana

Maroantsetra Tafakatra 5.000 ireo olona voan’ny tazomoka


  • Talata 07 Septambra 2021

Tsy mitsaha-mitombo ireo olona lasibatry ny aretina tazomoka any amin’ny distrikan’i Maroantsetra. Tafakatra 5.000 isa mantsy ireo marary tamin’ity taona ity, raha 4.000 isa tamin’ny taona 2020.

 Saika lasibatra avokoa ireo mponina manerana ny Fokontany 166 isa raha araka ny vaovao azo, vokatry ny fisian’ilay aretina ongobe, bongabe izay mihafara amin’ny tazo mahery hatrany amin’ny ankapobeny ka misy mihitsy ireo mamoy ny ainy tsy fidiny. Hisy araka izany ny fizarana lay misy ody moka hotanterahin’ny Fitondram-panjakana any an-toerana manomboka amin’ity herinandro ity. Lay miisa 3 hetsy no fantatra fa hozaraina maimaim-poana any an-toerana ka hatao laharam-pahamehana ireo vehivavy mitondra vohoka sy ny ankizy madinika. Arahina fanentanana manokana izany noho ny fahafantarana fa marobe amin’ireo olona mahazo lay misy ody moka ihany koa no mampiasa izany amin’ny zavatra hafa toy ny fakana trondro anaty rano na koa hamidiny havadiny ho vola.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT