Fahasalamana

Marary voa eto Madagasikara 300 ihany no afaka mitsabo tena


  • Zoma 31 Martsa 2017

Anisan’ny aretina iray mahazo vahana ny aretin’ny voa eto amintsika.

Tsy manavaka taona intsony izy io amin’ny ankapobeny fa ireo tanora vao herotrerony mpianatry ny anjerimanontolo 18, 20, 22 taona no tena mahita faisana raha 14 taona no zandriny indrindra izay marihina fa tsy azo hatao “dialyse” fa tsy maintsy alefa any ivelany. Mbola ambany dia ambany anefa ny tahan’ireo marary afaka mitsabo tena eto amintsika, izany hoe afaka manao dialyse in-telo isam-bolana amin’ny sarany 210.000 Ar isaky ny mandeha. 300 monja amin’ireo marary miisa 2.000 manerana ny Nosy, hoy Rasoahanta Pascaline, filohan’ny fikambanana FMRI ( Federasion des Maladies Insuffisance Rénale de Madagascar). Tsy afa-manoatra ny ambiny fa miandry fahafatesana  any an-trano na lazoan’ny aretina fotsiny. Raha indray mandeha monja anefa ny fahafahan’ny marary iray manao dialyse ao anatin’ny iray volana dia mivonto avokoa ny tongotra aman-tanany ary tsy  afaka manao ny asany ara-dalàna toy ny mahazatra intsony izy ireo. Mba hanampiana azy ireny dia hangatahiny amin’ny fanjakana ny hahafahana mitsabo azy ireny maimaimpoana toy ny iainan’ireo marary voa any amin’ny Nosy rahavavy Maurice amin’izao fotoana izao. Toraka izany koa ny hanaparitahana ny toerana fanaovana dialyse fa tsy avela hivangongo amina faritra toerana vitsy monja. Tsy latsa-danja amin’ireo ny fandanian’ireo olom-boafidy ny lalana ny amin’ny tokony hahafahantsika eto Madagasikara manao ilay fanoloana voa na fanaovana grefy ho tombontsoan’ny marary. Anisan’ny mahatonga ny aretin’ny voa ny fihinanana sakafo matavy loatra, ny voamaina matetika…

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT