Fahasalamana

Mararin’ny pesta eny Ambohimiandra Notoloran’ny CUA bodofotsy


  • Alakamisy 09 Novambra 2017

Tsy mikely soroka amin’ny fanasoavana ny tanàna sy ny mpiara-belona ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo (CUA), indrindra amin’izao vanim-potoana sarotra diavin’ny vahoaka izao.

 Ankoatra ny fanatsarana sy fanavaozana ny fotodrafitrasa isan-tsokajiny dia mandeha hatrany ny asa sosialy ataon’ny CUA, ka ireo olona manaraka fitsaboana noho ny valanaretina pesta indray no nisitraka izany. Nanatitra bodofotsy ho an’ireo mararin’io valanaretina io teny amin’ny hopitaly Ambohimiandra mantsy ny Sampana misahana ny fahasalamana avy ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, notarihin’ny Talen’ny Fahasalamana Deris Herivonona omaly alarobia 08 novambra 2017. Areti-mandoza izay nampihorohoro ny teto Madagasikara iray manontolo ny pesta, efa miha-manjavona kosa izy ankehitriny vokatry ny fepetra maro noraisina. Raha ny hita teny an-toerana dia miha-vitsy ireo marary ao amin’ ity toeram-pitsaboana iray eny amin’ ny boriborintany faharoa ity . Izany dia vokatry ny ezaka goavana izay ataon’ny tompon’andraikitra. Nankasitraka ny fanomezana nomen’ny kaominina ireo marary sisa tavela.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT