Fahasalamana

Mararin’ny Coronavirus Tsy misy ahiana ny ain’ireo olona 19


  • Alarobia 25 Martsa 2020

Mivoatra hatrany ny antontam-baovao mahakasika ny valan’aretina coronavirus eto Madagasikara. Tamin’ny 60 nanaovana fitiliana dia ireo natoka-monina sy nifampikasoka taminy, dia ny 2 tamin’ireo no voamarina fa misy ny tsimok’aretina coronavirus.

Nahitana tranga vaovao 2 indray izany omaly, ka vehivavy avokoa izy ireo, manome ny antontan’isa ho 19 hatramin’ny omaly. Mbola ao anatin’ny “cas importés” avy any ampitan-dranomasina avokoa ireo tranga tamin’ny sidin’ny Air Madagascar ny MD 51 tonga ny 18 martsa no nisy ireto olona vao voa ireto, rah any fanazavan’ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle avy amin’ny Centre de Commandement Operationnel na ny CCO Covid 19 eny amin’ny MBC Ivato. Marihina fa 2 na 3 any amin’ny faritra sisa no tsy tratra antso tamin’ireo mpandehan’io zotram-piaramanidina MD 51 an’ny Air Madagascar tonga io tamin’ireo 22 nanaovana antso avo, ary efa fantampatatra avokoa ny toerana misy azy, raha ny fanazavan’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo. 18 tsisy soritr’aretina sarotra, 1 nanavy, efa nihatsara. Tsy misy ny tranga sokajiana ho sarotra na “grave”, tsy ilana fitaovana manampy ara-pisefoana hatreto, rah any fanazavana. Miara-miasa amin’ny OMS sy ny Institut Pasteur de Madagascar na ny IPM moa ny CCO Covid 19 amin’ny andraikitra iantsorohany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT