Fahasalamana

Manomboka mamely ny pesta Efa 8 ny tranga tamina distrika 4


  • Alatsinainy 02 Novambra 2020

Manjakandriana, Anjozorobe, Manandriana, Vohibato, raha ny fanazavan’ny Talen’ny fampiroboroboana ny Fahasalamana eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka Dr Manitra Rakotoarivony tamina fampahalalam-baovao iray ny sabotsy teo.

 

 

 Tao Vohibato dia efa nahitana tranga dimy. Miisa 8 ireo trangana pesta efa teny amin’ny tobim-pahasalamana, raha ny fanazavana. Tsy tokony hisalasala hanantona ny tobim-pahasalamana raha misy mampiahiahy, ary maimaimpoana ny fitsaboana raha voamarina fa pesta no mahazo ny marary iray. Isan’ny miteraka ny fipariahan’ny pesta haingana dia haingana ny loto sy ny fako, ary fotoana mampahazo vahana azy ny volana oktobra miditra novambra tahaka izao. Mila mailo sy mitandrina, ary indrindra mandray fepetra haingana ny rehetra, toy ny eto Antananarivo izay misavovona ny fako. Maloto sy mikorontana ny tanàna, ary mbola tsy voaala ny fako politika efa natao fitaovana tamin’ny fifidianana. Ho zava-doza, raha izao no mitohy, ka ny coronavirus tsy foana, dia manangasanga sy efa mamely ny pesta.

 

 

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT