Tsy maintsy hatao peta-drindrina na afisy manomboka izao ireo fanafody maimaim-poana na vidiana amin'ny vidiny mirary amin'ny alalàn'ny FANOME (Fandraisana Anjara NO Mba Entiko)
eny amin'ireo CSB rehetra manerana an'i Madagasikara hoy ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka. Nidina tampoka teny anivon’ireo CSB 25 isa ao amin'ny distrikan' Atsimondrano, ny Ministra ka anisan’ny notsidihiny ny tao amin'ny Kaomina Bemasoandro Itaosy, taorian'ny fitsidihana nataony tampoka tamin'ireo rafitra fanafarana, fitehirizana, fitsinjarana fanafody misy eto amin'ny firenena. Tsy nipetra-potsiny mantsy izy manoloana ireo fitarainana voarainy avy amin'ireo olona nanaraka fitsaboana eny amin'ny tobim-pahasalamana izay tantanan'ny fanjakana amin’ireo kolikoly amin’ny resaka fanafody.Miroso hatrany amin'ny fampiharana ny mangarahara sy ny ady amin'ny kolikoly araka izany ny eto anivon'ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka ary manohy ny ezaka rehetra efa natomboka hahafahan'ny tsirairay isam-batan'olona misitraka tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao sy manaja ny maha-olona.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.