Fahasalamana

Mandritsara Vehivavy 5 tratran’ny SIDA tamin’ity volana desambra ity


  • Alarobia 21 Desambra 2022

Olona miisa 5 izay fantatra fa vehivavy avokoa no lasibatry ny aretina SIDA any amin’ny distrikan’i Mandritsara tamin’ity volana Desambra ity.

Raha araka ny loharanom-baovao azo dia miisa 18 ireo natao fitiliana ka ny 12 tamin’ireo dia vehivavy avokoa raha lehilahy ny 6. Ny 5 tamin’ireo vehivavy 12 ireo araka izany no fantatra fa mitondra ny tsimok’aretina VIH/SIDA ka ny roa efa manam-bady raha mbola tokantena kosa ny 3 hafa. Ireto vehivavy miisa 5 ireto moa no fantatra hatreto fa ny ankoatra izay mbola tsy hay indrindra fa ho an’ireo tsy manam-bady miisa telo ireto ka tsy mijanona amina olon-tiana iray. Manao antso avo amin’ny mponina araka izany ireo mpiasan’ny fahasalamana any amin’ny distrikan’i Mandritsara mba samy hihazakazaka hatao fitiliana ny tenany hisorohana ity areti-madoza ity tsy hiparitakabe. Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT