Fahasalamana

Mandripak'olona ny tazomoka Efa ho 50 no maty any Betroka


  • Alakamisy 30 Aprily 2020

Tsy latsaky ny 50 isa ireo olona ireo efa matin` ny tazomoka ao anatin` ny kaominina 22 mandrafitra ny distrikan` i Betroka, hoy ny solombavamhoaka Nicolas Randrianasolo.

 

 

 Ny ankizy no tena lasibatra amin` izao. Manao antso avo foana satria resaka ain` olona no resaka, hoy izy, satria ny tazomoka no tena mahafaty ary tsy misangisangy. Any ambanivohitra no tena ahitàna tranga maro, hoy hatrany ity depiote ity. Tsaboina amin` ny alalan` ny fanafody eny amin`ny farmasia sy hopitaly ny marary fa tsy misy fanafody avy amin` ny ministeran` ny fahalsamam-bahoaka tonga any an-toerana. Nilaza fa hidina any an-toerana ny ministera hitondra izay fanafody izay. Fanentanana amin` ny fanadiovana ny tontolo iainana no ataon` ireo tomponandraikitra any an-toerana eo am-piandrasana izay fanafody avy amin` ny ministera izay. Ankoatra ny any Betroka dia lasibatra koa ireo distrika maro any atsimo toa an` Bekily, Ikalamavony, Iakora, Befotaka Atsimo, Imanja…

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT