Fahasalamana

Mandidy olona sima sy vaky lanilany Mila vola hatramin’ny 1,9 tapitrisa ariary


  • Alakamisy 12 Aprily 2018

Lafo dia lafo ny saran’ny fandidiana ireo olona sima na vaky lanilany, raha araka ny fanazavan’Atoa Vinay Ramjit, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny “operation smile”, omaly. Mahatratra 500 ka hatramin’ny 600 dolara na 1 923 000 ariary mantsy ny lela-vola ilaina amin’ny olona iray vao tafavoaka ny hôpitaly izy.

 Betsaka anefa ireo olona tsy manana fahafahana amin’izany manerana ny Nosy, antony manosika ny operation smile hikarakara fandidiana maimaim-poana indray, hetsika tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fahafolo taonan’izy ireo. Ny Sabotsy 14 Aprily  ho avy izao no hanatanterahana izany fandidiana maimaim-poana izany eto amintsika. Andiany faha-16 izy io ka anisan’ny hahazo tombontsoa amin’izany isika eto an-drenivohitra izay etsy amin’ny hôpitaly HJRA  Ampefiloha no hanatontosana azy, raha toraka izany koa ny any amin’ny hôpitaliben’i Toamasina, ny ao Antsirabe ary ny ao Mahajanga. Hatreto dia mahatratra 350 isa ireo ankizy hahazo tombontsoa amin’izany, mijanona mandritra ny 12 andro any amin’ny hôpitaly raha mpilatsaka an-tsitrapo miisa 200 kosa no handray anjara amin’izany fandidiana lehibe izany. Anisan’ny manohana akaiky izao hetsika izao entina hanampiana ireo sahirana ara-pivelonana ny vondrona Star. Horaisin’izy ireo an-tanana avokoa ny rano voadio omena ireo nodidiana sy ireo mpiambina azy ary ireo mpilatsaka an-tsitra-po ireo mandritra ny 12 andro. Tsiahivina moa fa efa niara-niasa hatrany ny vondrona Star sy ny operation smile hatramin’ny taona 2007 ka ankizy miisa 2.533 no efa nahazo tombontsoa tamin’izany.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT