MANDIDY HERNIE ZAZA IRAY

200.000 Ar amin'izao raha kely


  • Talata 17 Desambra 2024

Efa mahatratra 200.000 Ar amin'izao ny mandidy hernie ho an'ny zazalahy kely iray eny anivon'ny

tobim-pitsaboana tsy miankina raha kely indrindra. Efa tafiditra ao anatin'io ny ampahan'ny vidim-panafody raha mbola hafa kosa ny saran-dalana hivezivezena sy ny sakafo. Betsaka ireo Ray aman-dReny manan-janaka marary tsy manana fahafahana handidy an-janany manoloana izany, antony nanaovan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ny hopitaly CHU JRA Ampefiloha hetsika manokana. Zazalahy kely miisa 14 no nodidian'izy ireo hernie maimaim-poana ny herinandro lasa teo. Ireo dokotera mpandidy eo anivon'ity hopitaly ity no nifanome tanana nanatontosa ny hetsika. Tanjon'izy ireo ny hanamaivanana ny fahasahiranan'ireo Ray aman-dReny manan-janaka misy hernie, indrindra amin'izao ankatoky ny fankalazana ny fety izao. Tsiahivina moa fa karazana rivotra tafiditra any anaty tsinay ny hernie ka miteraka fivontosana eo akaikin'ny tatavia tsy maintsy didiana.
Pâti
Légende : Nandritra ny fandidiana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT