Fahasalamana

Mananjary Marobe ireo olona tsy afaka mitsabo tena


  • Alatsinainy 07 Martsa 2022

Sahirana mafy ny ankamaroan’ireo mponina any amin’ny distrikan’i Mananjary indrindra taorian’ny nandalovan’ny rivo-doza Batsirai sy Emnati tany an-toerana ka nampihanakabe ny fahantrana.

Tsy misy afaka mitsabo tena intsony ny ankamaroan’ny mponina na dia maro aza ireo tratry ny aretin-kibo sy aretin-koditra taorian’ilay ranobe iny. 20.000 Ar rahateo raha mora indrindra ny saran’ny fizaham-pahasalamana ho an’olona iray eny amin’ny dokotera amin’izao nefa na ny hamidy sakafo aza manahirana. Hita sy tsapa izany nandritra ny fandalovan’ilay caravane de la santé izay nandalo tao Kianjavato Mananjary afak’omaly sabotsy taorian’ny nandalovany tany Ambositra sy Ranomafana. Vokatry ny fiaraha-miasan'ny Fikambanana FITIA, ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, ny Ministeran'ny Mponina ary ireo Mpiara-miombon’antoka maro no angady nananana sy vy nahitana izany hetsika izay tafiditra ao anatin'ny fankalazana ny 08 martsa. Tolotra ara-pahasalamana maro sy maimaim-poana no hita tao anatin’ity hetsika ity ka anisan’ny tena nomena tombony manokana ny resaka fahasalaman'ny Reny sy ny zaza. Nisy ihany koa ny toro-hevitra nomena ireo reny miteraka be loatra mba hampiasa ny fomba fandrindram-piterahana.
Pati
Legende : Nafotaka tahaka izao ilay caravane de la santé niarahana tamin’ny fikambanana Fitia sy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT