Fahasalamana

Mampitandrina ny mpitsabo “Tazo, gripa, aretin-kibo izao no tena mamely”


  • Alarobia 30 Desambra 2020

Ny aretina mateti-pitranga izao dia ny aretin’ny fahavaratra, hoy ny dokotera mpitsabo, Fidy Bariniaina.

 

 

 Ny tazo no tena betsaka amin’izao andro mafana izao. Fotoanan’ny moka moa. Marary an-doha, manakotsako, misy fanaviana, ao koa ny bemangovitra, mangorangorana nefa efa mafana be. Izay ny tazo. Mbola eo koa ny gripa madinika miaraka amin’izay. Ny mampiavaka an’ireo fotsiny dia hoe ambony be ny hafanana amin’ny tazo. Ny aretin-kibo koa mamely satria fotoanan’ny orana. Eo ny voankazo toy ny manga izay maha be lalitra. Ny telo ampahefatr’ ireo mitsabo tena raisinay izao dia saika ireo aretina 3 ireo daholo no mahavoa azy. Maro ny fisorohana azo atao toy ny fanotofana ny rano miandrona, ezahana hakatona  mialohan’ny haha maizina ny andro ny trano, tandremana ny fahadiovan’ny tanana, manatona dokotera raha misy tsy metimety. Mila atao an-tsaina hatrany koa, hoy hatrany ity mpitsabo ity, fa mbola anatin’ny fotoanan’ny Coronavirus isika izao ary azo eritreretina ny mety hisian’ilay izy amin’ny endriny vaovao ka mila hajaina hatrany noho izany ireo fepetra ara-pahasalamana efa napetraka.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT