Fahasalamana

Mampitandrina ny mpitsabo Mamono haingana noho ny Covid 19 ny Pesta


  • Talata 07 Septambra 2021

Manomboka ny volana aogositra ka hatramin’ny volana aprily no tena mampahazo vahana ny valan’aretina pesta eto amintsika.

Tany amin’ny taona 1350 tany ho any dia nandripaka ny antsasaky ny mponina tany amin’ny faritr’i Eoropa ity valan’aretina iray ity izay niitatra tany Azia, Sina, Afrika taty aoriana ary io mbola misy sy mamono isan-taona hatrany eto amintsika io izy hoy dokotera Fidy Bariniaina. Tsy tokony hatao ambanin-javatra ny ady hatao amin’ny pesta sy ny fisorohana izany hoy hatrany ity dokotera ity. Mamono haingana kokoa mantsy ny pesta hoy izy, indrindra fa ny pesta aretin-tratra raha oharina amin’ny Covid 19 izay aretina efa miara-miaina amintsika eto Madagasikara ihany koa. Tokony samy hitandrina amin’ny fahadiovana araka izany ny rehetra hoy izy, indrindra fa ny ady hatao amin’ny voalavo sy ny parasy amin’ny alalan’ny fanalana ireo lobolobo sy ny tsy fanaparitahana ny ambinn-tsakafo masaka etsy sy eroa. Ankoatra izay hoy izy dia tokony miezaka ihany koa ireo mponina any ambanivohitra mba tsy hanao famadihan-drazana izay mbola voarara tanteraka. Anisan’ny toerana tena tian’ny pesta mantsy hoy izy ny hatsiaka ao am-pasana ka rehefa havoaka ny taolam-balo volavolaina ety ivelany dia miparitaka izany ary manaraka ny kiraron’ireo olona mpamadika. Tonga hatrany an-tanana ilay vovom-paty hoy izy ka mamely ireo voalavo ary parasy avy amin’ireto farany indray no manaikitra ny olona. Notsiahiviny moa fa ao anatin’ny ora vitsy monja dia mety hahafaty olona iray ny pesta aretin-tratra ka amin’ny alalan’ny fanaviana be, ny atody tarimo…. no marika hahafantarana ny fisiany. Mifindra sy miparitaka amin’ny alalan’ny rehoka sy piti-droran’ilay olona ny pesta ka antony manafaingana nyfitomboan’ny isan’ireo olona voa izany, hoy hatrany ny izy.
Pati sy J.Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT