Fahasalamana

Mamely ny aretin’ny voa Aoka tsy hihinankinam-poana, hoy ny Dr Marius


  • Zoma 16 Jona 2023

Rehefa tsy mahafeno ny asany intsony ny voa dia izay no antsoina hoe «insuffisance rénale», hoy ny dokotera mpitsabo, Dr Marius Ramaroson,

manoloana ny fahitana ny firongatr’izay aretin’ny voa izay ankehitriny. Taova miisa 2 andalovan’ny ra mamoaka maloto amin’ny vata-tenan’ny olombelona misy havia sy havanana no atao hoe voa, hoy izy. Ny hita amin’ny olona manomboka tratran’io aretina io dia kely ny valandrano na «pipi» avoakany na koa tsy misy mihitsy. Taova manokana mihitsy ny voa. Miantraika amin’ny vatanao manontolo mihitsy ny aretin’ny voa. Rehefa tsy mivoaka tsinona ny rano dia mety ho sempotra ilay olona. Mety ho binabina. Lasa poizina ho an’ny olona izany amin’izay fotoana izay ilay rano ao anaty vatany. Maro ny mahatonga ny aretin’ny voa. Isany, ohatra, ny tosi-drà miakatra. Ny resaka siramamy, izay manimba ny firafitr’ilay voa sy ny sela ao anatiny. Ny goty koa isany. Be dia be fa rehefa voa io voa io dia misy fiantraikany amin’ny vatan-tenan’ny olombelona amin’ny ankapobeny. Fisorohana tsotra indrindra izany dia ny mitsabo izay aretina ao aminao. Ny fanafody mahery koa mety mamely ny voa. Isany, ohatra, ireny tambavy ireny. Aoka tsy hihinankinam-poana. Mila feran’ny olona mararin’ny voa ny rano sotroiny mba tsy ho lasa poizina ilay mihoatra. Rehefa mbola tsara kosa ny voa dia tena tsara ny misotro. 1 litatra sasany izao, ohatra, no ilain’ny olombelona iray anaty tontolo andro raha latsaky ny 50kg izy. Mety ny sakafo ho haninao no mitondra an’izay. Mety miampy kafé na dité. Mety rano mihitsy na voankazo. Maha salama ny misotro rano fa tsara tsy atao mihoatra. Ny tsy ampy no tsy mety, hoy hatrany ity mpitantana ny klinika Saint Thomas etsy Faravohitra ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT