Fahasalamana

Malagasy Tsy zatra manara-maso ny fahasalamany


  • Zoma 17 Aprily 2020

Tsy hoe vao izao ihany fa efa hatrizay mihitsy ny malagasy no tsy marisika firy hanao fizaham-pahasalamana eny amin'ny dokotera na toeram-pitsaboana.Rehefa tena hoe marary vao mankany amin'ny dokotera,

 

 

ary misy aza rehefa manao krizy be mihitsy vao taitra ka hoe andao ho any amin'ny CBS na dispensera na hopitaly.Io antony io no mahasarotra ny mamaritra mazava ny isan'ny olona ety voan'ny Coronavirus, ary tena mahasarotra ny fanarahamaso.Tena zava-doza anefa izany satria hanome vahana ny fiparitahan'ny aretina, io ilay antsoina hoe "Cas Contatct"; mety tsy mahafantatra akory mantsy ny olona iray hoe mitondra ny tsimok'aretina Covid 19 izy satria tsy misy soritr'aretina iantraika amin'ny vatany, koa dia mivezivezy eny rehetra eny izy.Ankoatr'izay mbola vitsy ny tokantrano hoe manana fitaovana fitsapana hafanana na fitsapana tosidra.Olana iray ihany koa ny tsy fanana vola ka mampihemotra ny maro amin'ny fanatonana dokotera.eo ihany koa ilay tahotra sy henatra, toetra raiki-tapisaka amin'ny ankamaroan'ny Malagasy any ambanivohitra.Izany no maha zavadehibe ny fanaovana fitiliana faobe midina eny anivon'ny fokontany araka ny fitakiana efa maromaro ihany nipoitra tato ho ato izay.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT