Mahazo olona maro koa ny

rectorragie Azo tsaboina amin'ny fomba tsotra


  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Isan'ny aretina tsy dia voaresaka firy

nefa tsikaritra ho mahazo olona maro amin'izao fotoana izao ny rectorragie. Raha hazavaina tsotra, hoy ny mpitsabo, dia fivalanan-dra miainga avy ao amin'ny tsinay be na "rectum" ao izy io. Ny olon-dehibe maherin'ny 50 taona no tsikaritra ho tena lasibatr'izy ity amin'izao fotoana izao, hoy ny fanazavana, indrindra, ety an-drenivohitra, manoloana ireo rarintsaina samihafa. Azo atsahatra amin'ny alalan'ny fihinanana mananasy iraimanontolo, laniana hatramin'ny taolany izy io. Mananasy iray isan'andro mandritry ny 4 andro eto no resaka, raha mitranga izay fivalanan-dra nefa tsy misy kibo marary fa mety manotika fotsiny. Mety ho vokatry ny tsy fitandremana fanadiovana koa nefa ny aretina. Raha sanatria tsy voatsabon'izay mananasy izay ilay aretina, izany hoe, tsy mitsahatra aorian'ny andro voalohany nihinanana azy, dia fahendrena ny manatona Dokotera. Ny taolana mananasy no misy ny otrikaina manasitrana ity karazana aretina ity no sady mampiakatra hery fiarovana rahateo, hoy hatrany ny fanazavana.
Nangonin'i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT