Nanamafy omaly hariva ny ben'ny tanana Mokhtar Salim Andriantomanga fa misy olona voan'ny aretina Dengue ao Mahajanga; araho ny toromarika ary aoka samy hitandrina hoy izy.
Raha ny fantatra dia efa ho herinandro izao no nisian’izany tany an-toerana ary efa misimisy ihany ny olona voany. Ny ao amin’ny Fokontany Tanambao Sotema, Antanimalandy kosa no tena mahita faisana amin’izany. Tazo mahery vaika ny Dengue ary tena mahafaty raha tsy voatsabo ka izay no maha zava-dehibe ny fanarahana ny toromarika.Tahaka izao ireo soritraretina hahafantarana fa voan'ny Dengue ny olona iray : miakatra ny hafanana (38°C hatramin'ny 40°C) , marar an-doha, mahatsiaro reraka, mangotsokotsoka ny vatana , misy marary any amin'ny vanin-taolana, mandoa, misy faritra mivoara mena amin'ny vatana.Nohamafisina araka izany ny fanentanana amin’ny ady hatao amin’ny tazomoka any an-toerana toy ny fanotofana ny rano miandrona, ny fampiasana lay misy ody moka, ny fanatonana ny mpitsabo avy hatrany raha misy soritr’aretina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.