Fahasalamana

Mahajanga Olona maro voan'ny valanaretina Dengue


  • Sabotsy 02 Mey 2020

Nanamafy omaly hariva ny ben'ny tanana Mokhtar Salim Andriantomanga fa misy olona voan'ny aretina Dengue ao Mahajanga;

 

 

 

araho ny toromarika ary aoka samy hitandrina hoy izy. Raha ny fantatra dia  efa ho herinandro izao no nisian’izany tany an-toerana ary efa misimisy ihany ny olona voany. Ny ao amin’ny Fokontany Tanambao Sotema, Antanimalandy kosa no tena mahita faisana amin’izany. Tazo mahery vaika ny Dengue ary tena mahafaty raha tsy voatsabo ka izay no maha zava-dehibe ny fanarahana ny toromarika.Tahaka izao ireo soritraretina hahafantarana fa voan'ny Dengue ny olona iray : miakatra ny hafanana (38°C hatramin'ny 40°C) , marar an-doha, mahatsiaro reraka, mangotsokotsoka ny vatana , misy marary any amin'ny vanin-taolana, mandoa, misy faritra mivoara mena amin'ny vatana.Nohamafisina araka izany ny fanentanana amin’ny ady hatao amin’ny tazomoka any an-toerana toy ny fanotofana ny rano miandrona, ny fampiasana lay misy ody moka, ny fanatonana ny mpitsabo avy hatrany raha misy soritr’aretina.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT