Mahajanga Nitombo isa ny olona voan’ny VIH

SIDA


  • Talata 14 Septambra 2021

Nahitana fiakarana ny tahan’ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina VIH/SIDA any amin’ny faritra Boeny iny tao anatin’ny vanimpotoan’ny fihibohana raha

 ny nambaran’ny talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka any an-toerana Dr Hoasy Solange tao amin’ny fahitalavitra iray omaly. Ao Mahajanga no misy ny Ivon-toerana mandray an-tànana ireo olona voan’io tsimokaretina io. Nahitana azy avokoa na ny ankoatr’ireo sokajin’olona manokana na “groupe cible”, toy ny lehilahy mivady amin’ny lehilahy, na ny lehilahy miaraka amin’ny mpampanofa tena aza. Ny zava-misy hita sy voamarika, dia niakatra ihany koa ny tahan’ny vehivavy bevohoka voatily fa mitondra ny tsimokaretina, hoy ny fanazavana. Ny fampitomboana ny isan’ny fitiliana no nahitana ny fiakarana. Izay hetsika izay no mety nampisy ny fiakarana. Manamafy ny hetsika ho amin’ny fisorohana ny fipariahan’ny VIH/SIDA ny tompon’andraikitra ara-pahasalamana any an-toerana, ary eo ihany koa ny fandraisana an-tànana ireo voa mba tsy hahilikiliky ny fiarahamonina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT