Mahajanga

Ahiboka 5 andro ireo mpandeha avy any Kaomoro


  • Talata 06 Febroary 2024

Taorian’ny nanafoanan’ny Fanjakana foibe ny fepetra noraisin’ny

governora any Boeny ny tsy fahafahan’ny sambo avy any Kaomoro miditra ao Mahajanga, dia nisy ny fepetra noraisin’ny APMF (Agence Portuaire Maritime et Fluviale). Mihiboka mandritra ny 5 andro avokoa ireo mpandeha miditra ao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga araka ny nambaran’ny “Directeur des affaires portuaires” eo anivon’ny APMF, raha ny voalazan’ny fampahalalam-baovao iray omaly. Eo ihany koa ny fandrarahana fanafody ireo entana rehetra. Noraisina izao fanapaha-kevitra izao ho fisorohana ny fihanaky ny valan’aretina kolera ao an-toerana noho ny fahitana trangan’aretina ao Comores sy Mozambique, hoy hatrany ny fanazavana. Nambara fa ny minisiteran’ny Fahasalamana no tena miandraikitra izany fa anjaran’ny APMF dia ny mampihatra izay tapaky ny komity ahitana ireo tompon’andraikitra maro araka ny andraikiny tsirairay avy. Manodidina ny 6 isan-kerinandro ny sambo miditra ao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga avy any Comores, raha ny fanazavana hatrany.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT