Fahasalamana

Mahajanga 24 ireo voan` ny valanaretina Dengue


  • Alatsinainy 04 Mey 2020

Taorian` ny valim-pitiana avy amin` ny Institut Pasteur de Madagascar, fantatra fa miisa 24 ireo olona voan` ny aretina Dengue raha ny tatitra avy amin` ireo tomponandraikim-panjakana any Mahajanga.

 

 

Arahina maso avokoa ny fahasalaman` izy ireo ary mahazo fitsaboana sahaza azy amin` izao, hoy hatrany ny fanazavana. Efa tamin` ny taona 2010 no nahitana mararin` ny Dengue tany Boeny. Azo tsaboina tsara ny aretina raha tonga ara-potoana eny amin` ny hopitaly ny marary iray. Ny fisorohana ny moka no zava-dehibe indrindra ialàna amin`ny aretina. Fandrarahana fanafody amin`ireo toerana maromaro sy fanentanana ny mponina hanala lobolobo ary fampiasana lay misy ody moka no fepetra noraisin` ny faritra hatrany. Tsara no manamarika fa tamin` iny herinandro lasa iny no nandray fanapahan-kevitra ny tomponandraikim-panjakana ao anivon` ny faritra Boeny fa hanakatona ny sisin-tany mampifandray amin'ny nosy Kaomoro. Nisy mantsy ny fitaovam-pitaterana botry ka ireny no arahina maso mba tsy hahafahan` ny olona avy any Kaomoro hiondrana any Mahajanga eo anatrehan` izay valanaretina hafahafa miseho any izay.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT