Fahasalamana

MADAGASIKARA Tsy mitsaha-mitontongana ny tahan’ny fanaovam-baksiny


  • Alarobia 31 Mey 2023

Tsy mitsaha-mitontongana ny tahan’ny fanaovam-baksiny eto amintsika, indrindra fa ho an’ireo zaza latsaky ny 5

taona raha araka ny nambaran’ny solontena maharitry ny fandaharan’asa iraisam-pirenena momba ny fahasalamana na ny OMS eto amintsika. Hatramin’ny niparitahan’ny valan’aretina COVID 19 teto amintsika no mankaty no voalaza fa antony nahatonga izany. Nitombo isa ireo olona tsy resy lahatra ny hanao vaksiny ny zanany intsony eto Madagasikara, antony mampahazo vahana ireo karazan’aretina maro samihafa toy ny lefakozatra….Ahiana hatrany ny mety hiparitahan’ireo valan’aretina ireo noho izany. Izany indrindra no anton’ilay fivoriana tanterahina mandritra ny 2 andro eny Ivato hiarahana amin’ny fandaharan’asa iraisam-pirenena momba ny fahasalamana, ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny raiamandreny ara-drazana sy ireo tohonteny eny anivon’ny fiaraha-monina hahafahana mandresy lahatra ny isan-tokantrano, indrindra fa ireo manan-janaka madinika. Nambaran’ny teo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka moa fa mbola ampy tsara ny tahirim-baksiny eto Madagasikara.
Pati
Legende : Mila fanentanana goavana indray ny fandresena lahatra ny Ray aman-dReny mba hanao vaksiny ny zanany
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT