Fahasalamana

Madagasikara Nijanona ho 19 ny olona voan’ny Coronavirus


  • Alakamisy 26 Martsa 2020

Tsy nisy ny tranga vaovao nanomboka teo anelanelan’ny talata 24 martsa tamin’ny 12ora sy sasany atoandro ka hatramin’ny omaly alarobia 25 martsa

 

 

 

tamin’ny ora mitovy, raha ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle avy amin’ny CCEO Covid 19 eny amin’ny MBC Ivato omaly.Mbola nanamafy ny filoham-pirenena ny hariva fa tsy nitombo ny isa. Olona 150 anefa no nanaovana fitiliana tao anatin’izay elanelanm-potoana izay, dia ireo olona tonga avy any amin’ny firenena misy ny coronavirus sy ireo olona nifanerasera tamin’izy irao, izay niisa 9, ary teo ihany koa ny mpiasan’ny seranam-piaramanidina miisa 22. Omaly izany dia nijanona ho 19 ireo voa, ka ny 18 tsy misy soritr’aretina ary tsy misy ahiana ny ainy. Nanamafy ny tokony hitandroana sy hanajana ny lamina napetraky ny fanjakana ity manam-pahaizana amin’ny tontolon’ny fitsaboana ity. Zava-dehibe, hoy izy, ny fitsinjovana ataon’ny fanjakana amin’ireo kazarana sy sokajin’olona eo amin’ny 14 eo. Isan’ny notsindriany manokana ireo olona farofy mety hanao “forme grave” raha sanatria ka voan’ny coronavirus, toy ny zokiolona. Ny mampiakatra ny taham-pahafatesana any amin’ny firenena mandroso dia ny olona marefo. Adidin’ny tsirairay ny mitandrina nohon izany.Zava-dehibe ny fanapahan-kevitra hoe: Ny zokiolona dia hitondrana zavatra mampitombo ny hery fiarovana: soja, vitamine C, ronono,…

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT