Fahasalamana

Madagasikara Nihena ny fanaovam-baksiny


  • Zoma 04 Desambra 2020

Notanterahana omaly 3 desambra 2020 ny fanolorana ny vokatra azo tamin’ny

 

 

alàlan’ny fifanakalozan-kevitra sy dinika nijerena akaiky ny fivoaran’ny fanaovam-bakisiny ho an’ny taon-dasa sy ny fiantraikany ratsy nateraky ny fisian’ny valanaretina toy ny Covid-19 teto amin’ny firenena manoloana ny sehatry ny fanaovam-bakisiny. Fantatra tamin’izany fa nisy fihenana ny tahan’ny fanaovam-baksiny eto Madagasikara ka ny faritra Analamanga, Vatovavy Fitovinany, Diana sy Sava ary Atsinanana no tena voakasik’izany. Amin’ny ankapobeny, manodidina ny 88% io tahan’ny fanaovam-baksiny io manerana ny nosy raha toa ka 95% ny fenitra tokony ho tratrarina. Manoloana indrindra izao toe-javamisy izao, ilaina aloha ny midinika mialoha ahafahana mametraka ny paikady rehetra entina hanatsarana ny tolotra fanaovana vaksiny eny anivon’ireny fotodrafitrasa ara-pahasalamana ireny. Araka izany, azo antenaina fa tena ahitana vokatra tsara hiantraika mivantana amin’ny sosialim-bahoaka izao ezaka lehibe iarahan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo Mpiaramiombonantoka aminy misalahy izao. Tarigetra napetraky ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka, Pr Hanitrala Jean Louis Rakotovao, rahateo ny ahazoan’ny tsirairay misitraka ireo tolotra fahasalamana sahaza azy ary mifanaraka indrindra amin’ny velirano fahadimy napetraky ny Filoha Andry Rajoelina, hoy hatrany ny fampitam-baovao.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT