MADAGASIKARA

Mahatratra 2 tapitrisa ny zaza tsy vita vakisiny


  • Zoma 26 Aprily 2024

Mbola betsaka ireo zaza tsy vita vaksiny eto amintsika indrindra fa ny any ambanivohitra.

Ankoatra ireo fady tsindromina dia tsy vitsy ireo Ray aman-dReny matahotra manatona tobim-pahasalamana eny fa dia ireo Reny mitondra vohoka aza. Mbola mahatratra 2 tapitrisa mahery izy ireo, eo anelanelan’ny 0 ka hatramin’ny 59 volana. Mba hahafahana mamaha izany olana izany dia noraisin'Andriamatoa Profesora Zely Randriamanantany, Minisitry ny fahasalamam-bahoaka, tao amin'ny toeram-piasany ao Ambohidahy omaly Alakamisy 25 Aprily ireo delegasiôna notarihan'i Dr Matshidiso Moeti, talem-paritry ny vondrona iraisam-pirenena misahana ny fahasalamana aty Afrika, ary nitohy tamin’ny Filoham-pirenena mivady. Hanamafisana ny fanohanana sy ny fiaraha-miasa ary ny fampiroboroboana ny fanaovam-bakisiny ireo zaza tsy mbola nisitraka izany eto Madagasikara no anton’izao fitsidihana ara-pomba ofisialy izao. Isan'ny anton-dian'izy ireo ihany koa ny fanatrehana ny lanonana fitokanana ny Toby fitahirizana vaksiny eny Ivato notanterahina omaly Alakamisy 25 Aprily, izay isan'ny lehibe indrindra aty Afrika miampy ny toeram-piasana ho an'ireo mpandraharahan'ny fahasalamana misahana ny fampiroboroboana ny vakisiny, iarahana miasa amin’ny Gavi Alliance. Tanjona moa dia hahavitana vaksiny 100 % ireo zaza latsaky ny 5 taona manerana ny Nosy na dia mbola ilana ezaka goavana aza izany. Raha araka ny fanazavan’ny filoham-pirenena moa dia ny 35%-n’ireo zaza latsaky ny 5 taona no vita vaksiny tamin’ny taona 2021 saingy efa niakatra 86% izany amin’izao taona 2023 izao.
Pati

Legende : Ireo vahiny tonga nihaona tamin’ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT