Fahasalamana

Madagasikara Anisan’ny vitsy mpitsabo indrindra maneran-tany


  • Talata 30 Novambra 2021

Madagasikara no anisan’ny vitsy mpitsabo indrindra maneran-tany nefa be mponina raha araka ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina.

 Ny fisian’ny fampianarana ho mpitsabo eny anivon’ny sekoly tsy miankina ambony sisa hoy izy no mba mampisy fanantenana nefa tsy miova ihany koa ny isan’ny mpianatra havoakan’izy ireny aorian’ny fito taona no mihoatra hanaovan’ilay mpianatra fandalinana. Notsiahiviny anefa fa ny 8%-n’ny mponina ihany raha misy no misitraka fitsaboana mifanaraka amin’ny filany. Ny ankoatra izay dia voatery mitsabotsabo tena araka izany mahamety azy avokoa hoy izy na dia maro aza no tsy ara-dalana. Ho an’ireo mponina any ambanivohitra dia notsiahiviny manokana fa mandeha dia an-tongotra mandritra ny ora telo mandroso sy miverina ny marary iray na vehivavy handeha hiteraka iray vao mahita hopitaly afaka handray azy. Tsy fantatra intsony hoy izy ireo efa namoy ny ainy teny an-dalana izay tranga tena mampalahelo tokoa. Manantitrantitra araka izany dokotera Fidy Bariniaina fa ny fampiroboroboana ny sekoly ambony tsy miankina hanofana ho mpitsabo ireo tanora mpianatra ihany no tena vahaolana ho enti-miady amin’izany hisorohana ny fanaovana dokotera tenany sy ny fandehanana any amin’ny dadarabe.
(Sary fanehoana)
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT