Loza mitatao ara-pananahana eto Madagasikara

Vehivavy 1 amin’ny 10 isan’andro no maty eo am-piterahana


  • Alatsinainy 30 Septambra 2024

Nampahafantarina tetsy amin’ny Motel Anosy ny sabotsy teo ny tetikasa mikasika ny

fahasalamana sy zo ara-pananahana izay volavolain’ny CNFM na Filankevim-pirenen’ny vehivavy eto Madagasikara. Izy io, raha ny fanazavan’ny filohan’ity filankevitra ity, Estelle Andriamasy, dia natao noho ny fahitana fa tena mbola tsy voahaja ny zo ara-pananahan’ny vehivavy eto Madagasikara. Betsaka ny vehivavy maty eo am-piterahana, hoy izy. Betsaka ny fanalan-jaza tsy ara-dalàna ka miteraka fahafatesan’ny vehivavy maro. Antony faharoa mahafaty vehivavy betsaka io fanalan-jaza io. Eo koa ny fiterahana tsy atrehin’ireo olona voahofana hiatrika fiterahana na «personnel médicale». Tandindonin-doza ny ain’ny vehivavy malagasy, indrindra, ny tanora manomboka eo amin’ny faha 12 taona rehefa ao anatin’izay fananahana tsy voatsimbina izay. Anton’izao tetikasa novatsian’ny fikambanana avy any Angletera izao izany hanampiana ny CNFM hanentana ny vehivavy sy ny tanora mikasika izay zo ara-pananahana izay. Eo indrindra koa ny fampananan-kery ny fifanarahan’i Maputo na «Protocole de Maputo» satria io no lalàna iraisampirenena antenaintsika ho isan’ny hiantoka ny fiarovana ny zon’ny vehivavy eto Madagasikara. Eo ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpikambana hahafahany miatrika feno ny fanatanterahana ny tetikasa. Eo koa ny fanentanana ireo mpitondra ara-drazana mahakasika ny zon’ny vehivavy ahafahan’izy ireo manentana ny vahoaka entiny. Eo koa ny fanentanana ny rafitra mpanao lalàna, hanazavana azy ireo ny mikasika io fifanarahan’i Maputo io ka hahafahan’izy ireo manafaingana ny fandaniana ny didy aman-dalàna mifanandrify amin’izany. Eo koa ny fanofanana ny mpanao gazety izay manana andraikitra lehibe amin’ny fampitana vaovao sy hevitra. Ho avy ny fotoana hampahafantarana ny antsipiriany an’io fifanarahan’i Maputo io. Misy andininy miisa 32 ao. Voarakitra ao daholo ireo sokajin’ny zon’ny vehivavy. Ao ny zo ara-pananahana, ny zo ara-politika, ny zo hahazo fiofanana ara-kasa sy ny rehetra. 1 amin’ny vehivavy miisa 10 isan’andro no maty eo am-piterahana eto Madagasikara. 426 amin’ny vehivavy miisa 100.000 no maty eo am-piterahana. Any amin’ny faritra io mahatratra 600/100.000. 75000 isan-taona no isan’ny vehivavy maty isan-taona vokatry ny fanalan-jaza. Tandindonin-doza ny fahasalamana ara-pananahan’ny vehivavy eto Madagasikara. Ilaina, noho izany, ny fanentanana sy fanabeazana ary firesahana izany mba ialana amin’ny hoe resaka mamoafady na «sujet tabou» ilay izy nefa fahafatesana be dia be no ao ambadiny, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT