Fahasalamana

Lehilahy matin’ny pesta tany Fandriana Olona maro no efa nifampitakosina taminy


  • Talata 20 Febroary 2018

Lehilahy iray 63 taona antsoina hoe Rakotonirina no maty tany Fandriana ny 11 febroary 2018 teo tao amin’ny toby fiantsonan’ny fiara tao Fandriana. Ny fizahana natao azy no nahalalana fa nisy pesta aretin-tratra izy.

Ny namany iray antsoina hoe Ramarolahy Daniel kosa dia naiditra tao amin’ny Hopitaly CHD ao Fandriana nanomboka ny 11 febroary, nandritra 8 ny andro. Toerana maro no efa nolalovan’izy ireo, ary olona maro be no nifanerasera taminy, izay ahiana ho niteraka fipariahan’ny valanaretina pesta. Avy any amin’ny kaominina Miarinavaratra, distrikan’i Fandriana fihavian’izy roalahy ireo. Nikarama nanatsofa hazo sy nijanona nandritra ny fotoana ela tany Anjiofotsy, fokontany Ambavanala, Kaominina Ambatoharana Mananara Avaratra izy ireo. Rangahy iray antsoina hoe Raymond monina ao Sandrakatsy Mananara Avaratra no nanakarama azy. Ny 5 febroary izy ireo no niala tany Anjiafotsy nandeha an-tongotra nihazo an’i Mananara. Nandray  lakana nihazo an’i Toamasina, ary tao indray no nandray taksibrosy nihazo an’Antananarivo. Tao amin’ny Koperativa SAFIDIKO no mety nandehanany, raha ny tapakila no jerena. Ny avy amin’io koperativa io indray no nilaza fa nisy fiara nitondra azy ireo teny amin’ny toby fiantsonana Fasan’ny karana, ka tao izy ireo no natory ny alin’ny 9 febroary 2018. Ny sabotsy 10 febroary hariva kosa no nandray fiarakodia mitondra ny laharana 5778TBD nihazo an’i Fandriana, ary tany no namoy ny ainy Rakotonirina, ary nalevina ny androtr’iny ihany. Araka ny nambaran-dRamarolahy Daniel dia mbola misy naman’izy ireo hafa marary somary manavy sy mamay be any Anjiafotsy any Mananara Avaratra, faritra Analanjirofo. Mila fandraisan’andraikitra sy fizahana ara-pizaham-pahasalamana haingana, indrindra fa ho an’ireo nifampitakosona tamin’io maty io nanomboka tany Anjiofotsy Manana Avaratra hatrany Fandriana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT