Fahasalamana

Lehilahy matin’ny pesta Nifandroritan’ny “BMH” sy ny fianakaviana


  • Alakamisy 12 Oktobra 2017

trangana savorovoro tao Tanambao V Toamasina ny talata alina. Antony dia voaporofo fa matin’ny pesta ny lehilahy iray ka nifamalian’ny fianakaviana sy ny BMH ny fikarakarana ny razana.

Voatery nampiasa hery mihitsy ny mpitandro ny filaminana nakana ilay razana vao afaka nandevina azy ho lavitry ny fianakaviany sy ny mpiaraha-monina ny BMH noho izy matin’ny pesta, ka tsy maintsy misy fepetra manokana ny fomba fandevenana azy.

 

Sakoroka hatreny am-pasana

 

 Fantatra araka ny angom-baovao natao fa nisy fotoana narary ity lehilahy ity saingy tsy nanatona toeram-pitsaboana mihitsy, efa nisy aza fotoana nando ra izy io araka ny fanazavan’ny manodidina nefa tsy nentin’ireo fianakaviany namonjy toeram-pitsaboana hatrany ka izao maty ny talata teo izao. Tsy nijanona tamin’ity sakoroka tao Tanambao V ity anefa ny raharaha fa nitohy ny alarobia maraina teny amin’ny toeram-pandevenana Manangareza izay nandevenan’ny BMH azy. Tonga ny fianakaviany haka ny fatin’ny havany. Tonga teny koa ny Emmo-Rég nanakana izany ka mbola raikitra hatrany ny sakoroka. Nihenjana anefa ireto mpitandro ny filaminana fa hampihatra ny lalàna manan-kery raha tsy milefitra amin’ny tsy mety ataony ireto fianakaviana ireto; satria heloka bevava ny fangalarana faty amin’izay mbola loza mitatao ara-pahasalamana amin’ny vahoaka Malagasy ny hitranga. Nanaiky ihany izy ireo ka nilamina ny raharaha ka samy namonjy ny fodiany ny tsirairay. Tsy ity tranga tao Tanambao V ity ihany no matin’ny pesta tany an-tranony ny talata io fa teo koa ny tovolahy iray monina any Antanandava Toamasina Suburbaine. Efa nanaraka fitsaboana ihany izy ity saingy nitsoaka ny hopitaly kosa ka izao maty tsy nahatody fitsaboana natao tamin’ny noho pesta nanjo azy izao, izay tokony haharitra 8 andro sy manao tsindrona 48 isa ihany koa. Eo am-pikarohana ny “Tuc-Tuc” nitondra azy sy izay mety iray Dia taminy ny mpitandro ny filaminana izao mba hanaraka ny fitsaboana sahaza azy izy ireo.


Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT