Fahasalamana

Lefakozatra eto Madagasikara Tsy mbola fongotra


  • Alakamisy 15 Febroary 2018

Notanterahina omaly alarobia 14 febroary tetsy amin’ny hotely Colbert ny fanombohana ny fiofanana ho an’ireo komity miady amin’ny lefakozatra.

Mbola misy izy io saingy efa andalan’ny fanafoanana azy tanteraka i Madagasikara, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny fahasalamana, Dr Joséa Ratsirarson. Raha tsiahivina, tamin’ny taona 2014 no nisy indray ny tranga nahitana lefakozatra ka nahatonga ireny ezaka vaksiny ireny ary efa in-12 isika no nanatanteraka izany teto Madagasikara. Fiaraha-miasa amin’ny fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fahasalamana (OMS) ity atrikasa fiofanana ity ary misy ny manampahaizana 5 manokana mifandrimbona amin’ny fampiofanana. Tanjona ny mba ahazoantsika ilay taratasy fanamarinana ny tsy fisian’ny lefakozatra intsony izay itsarana an’i Madagasikara amin’ny volana jona. Ankoatra izay dia hisy ny fitsidihana hataon’ireo manampahaizana ireo ny volana aprily 2018. Raha ny tahan’ny fanaovam-baksiny kosa no resahina dia 82% no tratra hatreto ary mbola ezaka atao ihany koa ny hijery taratra sy hanafoana tanteraka ny lefakozatra any amin’ireny faritra atahorana mbola hisy ny valan’aretina ireny.

Tsiry  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT