Fahasalamana

Lalana Petite Vitesse Nalamina sady nodiovina


  • Alakamisy 08 Jona 2017

Nanomboka ny talata 6 jona dia nozaraina roa ny lalana Rainibetsimisaraka (Petite Vitesse),

ka ny ilany an-kavanana dia mivantana any Isotry ary ny ilany an-kavia kosa dia mihazo an’i Tsaralalana. Anisan’ny toerana tena misy ny fitohanana eny amin’ny Petite Vitesse, ka nanatanteraka izao fandaminana izao ny kaominina, hoy Razafimahefa Heriniaina sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra. Tsy hasiana intsony ny fiantsonan’ny fiara eny Petite Vitesse – COTONA fa hafindra manoloana ny BMH Isotry. Hisy ny vato be hanasaraka ny lalana mba hanamora ny fikorinan’ny fifamoivoizana. Hisy ihany koa ny toeram-piantsonana eny amin’ny ilany an-kavian’ny lalana ». Hisy ny polisy monisipaly handamina ny fifamoivoizana, ary efa misy ihany koa ny « marquage au sol » hanampiana ireo mpitondra fiara sy mpitatitra.  Ireo mpivarotra milatsaka anaty arabe kosa dia fehezina satria ny arabe dia ho an’ny fiarakodia, ny « trottoirs » ho an’ny mpandeha an-tongotra ary ny tsena dia ho an’ny mpivarotra. Mbola malalaka ny tsena Fihavanana – Petite Vitesse ho an’ireo mpivarotra amoron-dalana, hoy hatrany ny tompon’andraikitry ny kaominina. Tsy hijanona hatreo ny fandaminana fa hitohy hatrany satria « Antananarivo madio sy milamina » no tanjona

Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT