Fahasalamana

Lalàna manome vahana ny fanalan-jaza Nolanian’ny solombavambahoaka


  • Alarobia 21 Jona 2017

Lany teny anivon’ny antenimieram-pirenena ny volavolan-dalàna vaovao mifehy ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana manafoana ny lalàna tamin’ny 31 jolay 1920. Manamora ny fisorohana ny vohoka sy ny fanalanjaza izy io. Hanara-dia ny solombavambahoaka ve ireo antanantohatra isan-karazany,

toy ny antenimierandoholona, governemanta, filoham-pirenena ? Efa mihatra any ivelany toy ny any Frantsa ny fanomezana alalana ny vehivavy hampiato an-tsitrapo ny fitondrana vohoka na ny IVG (Interruption Volontaire de Grossesse) amin’ny alalan’ny fihinanana fanafody. Maro ny pitsopitsony arahina toy ny hoe hatreo amin’ny fiafaran’ny faha-12 volana nitondrana vohoka na ny andro voalohan’ny fadim-bolana farany eo amin’ny herinandro faha-14 nitondrana vohoka. Tsy mifanaraka amin’ny foto-pisainana sy ny soatoavina Malagasy ary mbola toherin’ny foto-pinoana Kristianina ihany koa ny fanomezan-dalana mivantana na an-kolaka ny fanalan-jaza. Efa nisy ny antso avo nataon’ny mpitondra fivavahana sy ny herivelona samihafa niantefa tamin’ny solombavambahoaka amin’ny handavana azy io saingy nolaniana ihany. Maro ny mety ho voka-dratsiny, toy ny fiakaran’ny tahan’ny fanalan-jaza, izay heloka eo anatrehan’ny lalàna. Raha dinihina, ny fomba fiantso ara-teknika fotsiny no miova hoe “Fampiatoana an-tsitrapo ny fitondrana vohoka” sy ny hoe “fanalan-jaza”fa ny fomba fanatanterahana azy no misy ekena sy helohin’ny lalàna.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT