Fahasalamana

Lakandranon’Andriantany Nodiovin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra


  • Alarobia 06 Desambra 2017

Nirotsaka an-tsehatra nanadio mivantana ny lakandranon’Andriantany mandalo etsy Ankadimbahoaka omaly, ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) notarihin’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana mivady.

Nampiasan’izy ireo  ilay fitaovana raitra sy manara-penitra hahafahana misikotra ireo karazana fako manentsina ity lakandrano ity mihitsy izany hisorohana ny tondra-drano mety hitranga mandritra ny fotoam-pahavaratra. Nanentana avy hatrany ny mponina eny Ankadimbahoaka Ramatoa Ben’ny tanàna  Lalao Ravalomanana hanaja ny fahadiovana sy ho saro-piaro amin’ny asa vitany. Mendrika ny hiaina amina tanàna madio mantsy ny mponin’Antananarivo, hoy izy izay nomarihiny  fa tsy hijanona ho an’ireo mponina eny Ankadimbahoaka ihany fa hiitatra amina faritra maro. Notsindriany manokana fa hovatsiany toeram-panariam-pako ihany koa  Ankadimbahoaka ary tsy andrasana isan-taona intsony ny ady hatao amin’ny pesta fa hiainana isan’andro mihitsy. Ny APIPA no manao ity asa tanterahin’ny kaominina Antananarivo renivohitra ity  saingy noho ny fifampiandrasana dia noraisin’ny kaominina mivantana. Tonga nifampitafa tamin’ny vahoakan’Ankadimbahoaka teny an-toerana ny mpanolotsaina manokan’ny Ben’ny tanàna Atoa Marc Ravalomanana.

Pati


 

 

 

 

 

 

 

                                        

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT