Fahasalamana

Lafo ny fandidiana maso « greffe de cornées » Nahita vahaolana ny ONG Santé & Développement


  • Alatsinainy 26 Novambra 2018

Aretina miha mahazo vahana eto amintsika ny aretin’ny maso ary lafo ny fandidiana rehefa tonga amin’ny dingana mila izay ilay aretina.

 

 

 Noho ny ezaky ny ONG Santé & Développement, dia mandalo eto Madagasikara amin’izao fotoana i Dr Maurice Collin sy Dr Joel Bessière avy any Grenoble Frantsa, izay manampahaizana amin’izany. Nisy ny famoriana ireo marary miisa 20 mahery avy nodidiana maso (greffe de cornées) tamin’ity taona 2018 tetsy amin’ny tetsy Service Ophtalmo CHU HJRA nataon’izy ireo sy ireo olona afaka nisitraka fahitana indray rehefa avy jamba sy tsy nahita intsony. Lafo tokoa ny fanaovana ny ”greffe de cornées” any ivelany, hoy ny Profesora Raobela Léa, Lehiben’ny Service Ophtalmo. Ny vidin’ny “greffons” dia efa lafo, ny fidirana hopitaly na ny “hospitalisation” koa. Vao mainka hidangana ny vola lany raha mbola isika eto Madagasikara no ho any ampitan-dranomasina noho ny saran’ny fiaramanidina sy ny fivezivezena any. Noho ny fiaraha-miasa amin’ny Santé & Développement miaraka amin’ny governemanta Malagasy sy ny minisiteran’ny fahasalamana ary ny HJRA dia raisin’io ONG io an-tanana ny saran’ny “greffe de cornées” ny fitaterana ny “greffons” mankaty amintsika. Niantohan’io ONG io ihany koa ny fanofanana an’i Dr Onja tany Lyon mba tsy hanafarana mpandidy avy any ampitan-dranomasina intsony. Tsy vao izao fa efa maro ny asa fanasoavana nataon’ny ONG Santé et Développement eto Madagasikara amin’ny sehatry ny fitsaboana. Efa namatsy “Appareils dialiseurs rénaux ny HJRA sy ny HJRB,  nanolotra fitaovana goavana “Gamma camera” ho an’ny Hopitaly Manarapenitra Andohatapenaka, nanampy tamin’ny fanaovana vaksiny hamongorana ny lefakozatra, nanolo-tanana tamin’ny fandidiana ireo zaza beloha na “hydrocephales”. Fanamby goavana katsahin’izy ireo hieli-patrana manerana ny Nosy ihany koa ny  famatsiana rano fisotro madio.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT