Fahasalamana

Kynesitherapeute Manotra no sady manoro hevitra ihany koa


  • Zoma 27 Novambra 2020

Tsy manotra araka ny fahalalan’ny olona ihany no asa hiandraiketan’ny

 

 

kynesitherapeute eo amin’ny fahasalaman’olombelona fa afaka manampy sy manome toro-hevitra hahafahana miady amin’ireo karazan’aretina mahazo ny mpiara-belona andavanandro ihany koa izy ireo. Anisan’ireny ny diabeta, ny kolesterola, ny aretin’ny avokavoka, ny taolana mivilana, ireny tongotra bingo ireny… raha araka ny fanazavan-dRtoa Faralanto Harisoa, filohany. Raha sanatria ka efa tsy salama kosa anefa ilay olona no tonga manatona azy ireo dia miroso amin’ny fitsaboana avy hatrany izy ireo. Fantatra izany omaly nandritra ny kongresy faha-12 notanterahin’ny fikambanana. Anisan’ny lohahevitra nitondrana ny hetsika ny hoe : “Ny fanarenana ara-batana sy ny Covid 19”. Miantoka ny famerenana ny hery sy ny toe-batan’ny olona iray ao anaty aretina mantsy ny fikambanana. Ho an’ny eto Madagasikara manokana dia efa manomboka fantatry ny olona ny kinesitherapeute saingy tsy mbola tafapetraka tsara amin’ny toerany. Mbola maro mantsy ireo tsy manaja ity seha-pitsaboana iray ity. Mbola latsaky ny 300 isa rahateo ireo kinesitherapeut nahavita fiofanana no miasa eto amintsika ka tokony hojerena manokana.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT