Misy Fanjakana ve eto ? hoy ny fanontanian’ny Antoko TIM tamin’ny alalan’ireo.
Mitombo hatrany ny faritany ahitana fanapoizinana sy fahapoizinana ara-tsakafo tato anatin’ny 10 andro farany. Eo anatrehan’ny aina nafoy maro sy ireo tsy salama, tsy hita mazava andraikitra raisin’ny fitondram-panjakana, hoy io io omaly nanameloka ny ambaran’izy ireo tsy fandrasan’andraikitry ny fitondra Rajoelina. Nambaran’ny TIM tamin’ny alalan’ny Sekretera jeneralin’ny Antoko, dia ny depiote Randriamasinoro Rina, miaina krizy ara-pahasalamana goavana i Madagasikara amin'izao fotoana izao. Mitombo 38% ny taha mampanahy momba ny fivalanana, raha ny tatitra farany navoakan'ny Fikambanana iraisam-pirenana misahana ny fahasalamana (OMS) tamin'ny 10 jona 2025, hoy ity Antoko ity. Nambara fa efa manakaiky ny fetran'ny areti-mifindra ny firenena noho ny firodanan'ny fotodrafitrasa fototra dia ny jiro sy rano fisotro madio. Manampy izany, miharatsy tanteraka ny fahatapahan-jiro sy rano amn'ireo Distrika maro eto Madagasikara sy amin'ireo kaominina ambanivohitra maro. Voalaza fa mahatratra hatramin'ny 10 ora isan'andro ny fahatapahan-jiro ary raha ho an'ny CHUU JRA Antananarivo fotsiny dia efa nahatratra 74 ora ny fahatapahan-jiro tao anatin'ny telo herinandro, ka nanamafisana fa tranga izay mampidi-doza ireo marary fa indrindra ireo tena marefo. Miantso fandraisan'andraikitry ny fitondram-panjakana hamerenana avy hatrany ny famatsiana jiro azo antoka ho an'ny hopitaly, tokantrano ary ireo fotodrafitrasa iankinan'ny fahavelomana, hoy ny antoko TIM. Tahaka izany ihany koa ny tokony iantohana ny fahazoan'ny rehetra rano fisotro madio manerana ny Nosy. Miantso ihany koa io Antoko io ny hanasaziana ireo izay tompon'andraikitra amin'izao krizy izao izay ambarany ho vokatry ny tsy fandraisan'andraikitry ny mpitondra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.