Fahasalamana

Krizy ara-pahasalamana Nandroso drafi-panarenana roa ny Praiminisitra


  • Zoma 29 Mey 2020

Mivonona hamoaka drafi-panarenana amin` ny krizy ara-pahasalamana, izay efa nanomboka roa volana lasa izay, ny governemanta Malagasy.

 

 

 

Omaly nandritra ny tatitra amin` ny zava-bitany tao anatin` ny enim-bolana voalohany taona 2020 manoloana ny Antenimieram-pirenena no nanambaran` ny praiminsitra Ntsay Christian izany. Ny drafitra vonjimaika amin`ny sehatra maro (plan multisectoriel d'urgence), izay mahakasika ny toekarena sy ny sosialy, dia hampiarina avy hatrany rehefa hankatoavin` ny governemanta, hoy izy. Ny drafim-panarenana kosa dia mbola ao anatin` ny famolavolana azy tanteraka satria miankina amin` ny krizy ara-pahasalamana izany. Araka ny nambaran` ny Praimminsitra Ntsay, tsy misy drafitra hafa aroso ankoatra ireo voaresaka manoloana ireo depiote. Raha tsiahivina, ny volana aprily lasa teo, efa nanambara ny fametrahana « plan de mitigation” ny ministry ny indostria, ny varotra ary ny asa tanana, Lantosoa Rakotomalala, mba hanalefahana ny voka-drasty ateraky ny Covid-19 amin`ny toekrarena. Efa nisy moa fivoriana niarahan` ny ministera sy ny sehatra tsy miankina nentina namolavolana izany drafitra izany saingy mbola tsy nisy fankatoavana avy amin` ny governemanta izany rehefa voarafitra, hoy Thierry Rajaona, filohan` ny Groupement des entreprises de Madagascar (GEM).

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT