Fahasalamana

Korontana tany Toamasina Noravan’andian’olona ny barazin’ny pesta


  • Alatsinainy 30 Oktobra 2017

Noheverina fa nifarana ilay tsaho niniana naely tao Toamasina nampisahotaka fianakaviana maro niaro an-janany tamin’ilay resaka vaksiny amin’ny pesta mampalemy.

 

 Nitohy ny olana ny sabotsy teo taorian’ny fisamboran’ny mpitandro ny filaminana ny mpamily iray mpanao zotra “suburbain” mianatsimo ao Toamasina tao amin’ny barazy ara-pahasalamana Antsarimasina lalam-pirenena faharoa. Tsy nanaiky ny fizahana hafanana taminy mantsy ingahy mpamily. Nandray ny baiko azony ireo mpitandro ny filaminana nisambotra azy sy nampanao azy ilay fizahana hafanana entina miady amin’ny valanaretina pesta. Taorian’izay, nandefa tsaho tamin’ireo mpiara-monina taminy tao Antananambo sy Tanandava ity mpamily fa saika nogadraina noho ny tsy fanekeny hotiliana hafanana teo amin’ny barazy ara-pahasalamana sy nentina saika nangalarana taova noho izy nolazaina fa voan’ny pesta. Tsy nandinika ireo mponina tao Antananambo sy Tanandava izay notohanan’ny tangalemana sy ny fianakaviany ka nanao rodobe ny sabotsy alina tokony ho tamin’ny 8ora nandrava sy nandoro ireo fananam-bahoaka entina iadiana amin’ny valanaretina pesta tao Antsarimasina. Voarahona ho faty  hatramin’ireo mpitsabo mpanampy enina mianadahy nisahana ny asa. Ny tifi-danitra nataon’ireo mpitandro ny filaminana no nampitsoaka ireto andian’olona an-jatony miandahy miambavy sy hatramin’ireo ankizy tsy ampy taona ihany koa. Vao nahazo antso anefa ny Emmo-Reg dia tonga nijery ifotony ny zava-nisy ary niezaka nisambotra ireo atidohan’ny fikomiana. 11 lahy, anisan’izany ny tangalamena tao Antananambo izay tena mpandray anjara feno tamin’iilay fikomiana sy fanimbana fananam-bahoaka ary mampitatao lozan’aretina amin’ny malagasy. Tsy niandry ela ny komitin’ny pesta sy ny BNGRC Toamasina fa namerina nametraka ilay barazy ara-pahasalamana ao Antsarimasina ny alahady antoandro teo. Tany misy lalàna  ny eto amintsika, hoy ireo mpitandro ny filaminana. Efa mandeha ny fakana am-bavany ireto 11 lahy voasambotra, entina ihany koa hahalalana ireo mety ho mpaniraka tamin’izao sakoroka be ny sabotsy alina izao. Voalaza fa misy resaka politika maloto ny raharaha. Ho hita eo ny tohiny.

 


 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT