Fahasalamana

Kongresy any Morondava Ho fampiraisana ireo Paramed rehetra


  • Alakamisy 04 Novambra 2021

Manitsaka ny andro fahatelo ao Morondava anio ny Zaikabe Nasionaly tanterahan'ny Paramedy izay hifarana rahampitso zoma.

Iray amin'ireo toko telo mahamasa-nahandro ao amin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka ny Paramedy. Ny 45%n'ny mpiasan'ny Fahasalamana mantsy dia Paramed avokoa.Isan-taona no hanatanterahana fihaonam-be toy izao, mba hifampizarana traikefa, hitondrana ireo tatitra avy any amin'ny Distrika tsirairay, handrafetana sahady ireo asa hotanterahina amin’ny taona ho avy, ary ho fampiraisana ireo Paramed rehetra manerana ny Nosy.Tonga nanome voninahitra ny ny lanonam-panokafana ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay sady ministra « Coach » ny Faritra Menabe, ary ny Ministry ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, notronin’ ireo olomboafidy sy Manam-pahefana maro samihafa. Tsiahivina moa fa anisan’ny mbola olan’ireo paramaedy hatreto ny havitsian’izy ireo sy ny tsy fanajana tanteraka ny zony koa mbola hanaovany antso avo amin’ny Fitondram-panjakana hatrany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT