Fahasalamana

Koha-maina manempotra Zaza 140 no nandalo tao Befelatanana tao anatin’ny roa volana


  • Alarobia 13 Martsa 2019

Mirongatra ny aretina bronchiolite mahazo ireo ankizy latsaky ny dimy taona eto amintsika. Ny fotoam-pahavaratra tahaka izao no voalaza fa tena mampahazo vahana azy, manomboka ny volana Desambra ka hatramin’ny volana Aprily.

 

 

 

Ho an’ny hôpitaly Befelatanana manokana dia nahatratra 140 isa ireo ankizy noraisin’ny urgence pédiatrie tao anatin’ny roa volana. Raha araka ny fanazavan’ny dokotera mpitsabo zaza iray dia miatomboka amin’ny  serisery kely ny aretina, mandalo amin’ny koha-maina ary manempotra ilay zaza mihitsy avy eo. Ny tena loza anefa hoy hatrany ity dokotera ity dia mahafaty ny aretina raha vao diso tara loatra ny fandraisana an-tanàna ny marary ka tsy tokony ho mandrimandry manana aretina izay Ray aman-dReny manan-janaka tojo izany. Ny fanatonana tobim-pitsaboana ihany raha ny nambarany no tena vahaolana tsara. Na  dia viriosy miparitaka aza  anefa no mahatonga ity aretina iray ity dia nomarihiny fa azo sorohina tsara izany. Ezahina  ho tafidtry ny andro sy tsy mihiboka ny ao an-tokantrano, indrindra fa ny efitrano fatoriana.  Fadiana ihany koa ny setroka raha mety sy ny fitondrana ny zaza amina toerana misy rivotra maloto.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT