Fahasalamana

Kitrotro sy Bonibony Ireo no nafangarontsika tato ho ato, hoy ny dokotera


  • Alarobia 27 Febroary 2019

Ny otrikaretina VZV na “virus varicelle zona”, hoy ny dokotera Domoina Soakanto Rakotonoely, mpitsabo ny aretina kitrotro sy ny fianakavian’ity aretina ity, no tena miparitaka tato ho ato

. Ny valanaretina kitrotro sy ny fianakaviany no nandripaka ny volana oktobra hatramin’ny janoary ary io hita ho niverimberina tato ho ato io, hoy izy. Ny kitrotro dia in-dray mandeha tsy miverina eo amin’ny fiainana fa ny fianakaviambeny no mety miverina. Anisan’izany ny Bonibony izay mitovitovy ihany ny fisehony satria samy mafampana, latsa-dranomaso, tsy mahinan-kanina. Izay no matetika hampifangaroantsika azy. Misy karazan’aretina toy izany. Tahaka ny nendram-boalavo kosa izao dia io otrikaretina hoe Zona io no endrika fiverenany. Marary dia marary ny faritra misy ilay kibontsimbotsina eo amin’ny vatana rehefa tratran’io. Ny fahendrena, rehefa misy tranga hafahafa dia ny manatona mpitsabo ihany no vahaolana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT