Nitondra fanazavana mikasika ireo ankizy marobe lasibatry ny kitrotro any amin’ny faritra ny minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka omaly. Anisan’izany ny any Ambatoboeny, Toamasina, Mahajanga ary ny etsy amin’ny distrikan’Ambohidratrimo Faritra Analamanga.
Nambaran-dRatsimbarison Arsene, sekretera jeneraly eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka fa zaza 9 ka hatramin’ny 11 volana ny ankamaroan’ireo lasibatry ny kitrotro sady tsy vita vaksiny avokoa ny ankabeazany. Eo an-danin’izay dia efa voa mafy ireo ankizy vao entin’ireo ray aman-dreniny manatona tobim-pitsaboana ka manano sarotra ny fandraisana an-tanana azy. Mba tsy hitaran’ny aretina ary dia tsy maintsy hanatanteraka ilay hetsika fanaovam-baksiny faobe iadiana amin’ny kitrotro ho an’ireo ankizy 9 volana ka hatramin’ny sivy taona ity minisitera iray ity manomboka ny 14 janoary ho avy izao. Haharitra 6 andro izany ka ny 95 %-n’ireo zaza manerana ireo distrika 25 hita fa faritra mena manerana ny Nosy no ezahina hovitaina. Ankoatra ny tobim-pahasalamana moa dia fantatra fa ahitana ivontoerana fanaovam-baksiny iadiana amin’ny kitrotro ihany koa ny eny anivon’ny fokontany hanalana fahasahiranana ny besinimaro. Ho an’ireo efa vita vaksiny dia nomarihin’ity tompon’andraikitra ity fa tsy misy ny olana na averina indray aza hahafahana mampitombo ny hery fiarovana ao anatin’ny vatana. Mikasika ny fikisahan’ny aretina any amin’ireo faritra misy ranomasina kosa dia fantatra fa efa manao fanadihadiana miaraka amin’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro sy ny institut pasteur ary ny oniversiten’i Oxford ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka amin’izao ahitana ny tena marina.Tsara ho marihana fa miisa 19 863 ankehitriny no voan’ny aretina kitrotro manerana an’i Madagasikara
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.