Tsy manana fahafahana ny hitsabo tena intsony ny ankamaroan’ny olona ankehitriny, noho ny hasarotan’ny fiainana.
Anisan’ny antony nanosika ny fikambanana Kis Madagascar hikarakara ilay hetsika fizaham-pahasalamana maimaimpoana etsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely ny 06 ka hatramin’ny 08 jolay ho avy izao, hiarahany amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Ankoatra ny fanaovana didimpoitra faobe ho an’ireo manan-janaka lahikely tsy mbola vita, iarahana amin’ny dokotera Fidy Bariniaina, dia hisy ihany koa ny fitiliana maimaimpoana ny aretina Vih/sida, ny diabeta, ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza sy ny nono, izay harahina torohevitra momba ny fahasalamana. Tanjona ny mba hahafahana manamaivana ny olana sedrain’ny tsirairay amin’ny fiainana andavanandro, indrindra fa ireo sahirana ara-pivelomana sy tsy manam-piahy. Ho an’ny Clinique Fidy Ambatomainty manokana dia an-jatony ireo tapakila efa nozarain’izy ireo nefa mbola betsaka ireo tsy nahazo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.