Fahasalamana

KIS Madagascar sy ny minisiteran’ny fahasalamana Hanatanteraka fizaham-pahasalamana maimaimpoana


  • Alatsinainy 03 Jolay 2017

Tsy manana fahafahana ny hitsabo tena intsony ny ankamaroan’ny olona ankehitriny, noho ny hasarotan’ny fiainana.

Anisan’ny antony nanosika ny fikambanana Kis Madagascar hikarakara ilay hetsika fizaham-pahasalamana maimaimpoana etsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely ny 06 ka hatramin’ny 08 jolay ho avy izao, hiarahany amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Ankoatra ny fanaovana didimpoitra faobe ho an’ireo manan-janaka lahikely tsy mbola vita, iarahana amin’ny dokotera Fidy Bariniaina, dia hisy ihany koa ny fitiliana maimaimpoana ny aretina Vih/sida, ny diabeta, ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza sy ny nono,  izay harahina torohevitra momba ny fahasalamana. Tanjona ny mba hahafahana manamaivana ny olana sedrain’ny tsirairay amin’ny fiainana andavanandro, indrindra fa ireo sahirana ara-pivelomana sy tsy manam-piahy. Ho an’ny Clinique Fidy Ambatomainty manokana dia an-jatony ireo tapakila efa nozarain’izy ireo nefa mbola betsaka ireo tsy nahazo.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT