Fahasalamana

Kaominin’Ivato Notondrahana fanafody maimaim-poana ny isan-tokantrano


  • Talata 31 Oktobra 2017

Na dia tsy mbola nahitana olona iray matin’ny aretina Pesta aza hatreto ny ao amin’ny kaominina Ivato dia mitohy hatrany ny asa fanadiovana tanterahin’ny kaominina, raha araka ny fanazavan’Andrianjakarivony Manitra, lefitra voalohan’ny Ben’ny tanana ao an-toerana.

Ankoatra ny asa fanadiovana faobe tanterahina in-droa isan-kerinandro raha araka ny fanazavany dia notondrahina ranom-panafody daholo ihany koa ny tranom-panjakana, ny sekoly rehetra,  ny fiara fitateram-bahoaka eny hatrany amin’ny tokantrano tsirairay avy. Nanampy azy ireo tamin’ny fanatanterahana izany ny Ministeran’ny Fanajariana ny tany izay nanolotra karazam-pitaovana maro toy ny kofafa, sobika, angady, borety…Mikasika ny fitsinjovana ireo ankizy mpianatra manokana moa dia fantatra fa nanaja ny lamina napetraky ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena avokoa ireo sekoly rehetra ao amin’ity kaominina iray ity ka ny 06 Novambra ho avy izao avokoa vao hiverina an-tsekoly ny mpianatra.  Na izany aza efa vonona amin’ny fiatrehana ny aretina pesta avokoa ny sekoly rehetra toy ny fametrahana ivon-toerana manokana ho an’ireo ankizy ahiahiana ho marary, ny fampiasana ireo karazam-pitaovana fitsapana hafanana  mialohan’ny hidirany ny sekoly…

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT