Fahasalamana

Kaominina Talatamaty Zazalahy kely 100 natao hasoavana maimaimpoana


  • Alatsinainy 12 Jona 2017

Handaniana hatrany amin’ny 80.000 Ar ny manao didimpoitra amin’izao eny anivon’ireo dokotera tsy miankina, raha tsy te-hilahatra.

 

 Betsaka anefa  ireo ray aman-dreny no tsy afaka manatanteraka  izany antony nanosika ny kaominina Talatamaty hanampy ireo mponina ao aminy. Taorian’ireo zazalahy kely miisa 150 izay noforana maimaimpoana niaraka tamina fikambanana iray eo anivon’ny primatiora ny 13 mey lasa teo dia zazalahy kely miisa 100 indray no noforan’izy ireo afak’omaly. Ny kaominina avokoa no niantoka ny lany rehetra ary mbola notolorana kilalao sy vatomamy ihany koa ireo zazalahy kely ireo. Tsy hijanona hatreo ny hetsika raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Rado Razafindratsimba. Hidina hitety fokontany hanatitra fanampiana ho an’ireo zokiolona sy fianakaviana sahirana ara-pivelomana indray mantsy izy ireo ny 22 jona ho avy izao noho ny fahatongavan’ny fetin’ny 26 jona. An-jatony ireo hahazo tombontsoa amin’izany. Tsiahivina fa efa nosokafana tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana lehibe ny 05 jona lasa teo ho an’ity kaominina ity ny fankalazana ny fetim-pirenena.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT