KAOMININA TALATAMATY

Niampy iray ny CSB II, natolotra omaly ny fotodrafitrasa


  • Zoma 23 Febroary 2024

Niampy iray ny foto-drafitrasa ara-pahasalamana ao anatin’ny kaominina Talatamaty,

distrikan’Ambohidratrimo. Izany no natao dia ho fanampiana ny mponina amin’ny fitsaboan-tena ho an’ireo tojo tsy fahasalamana na koa fiterahana ho an’ireo Reny mitondra vohoka ho fanampin’ilay iray efa misy ao an-toerana. Ao amin’ny Fokontany Amborompotsy no naorina ity CSB II iray ity izay natolotra ny kaominina tamim-pomba ofisialy omaly Alakamisy 22 Febroary. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny kaominina tamin’ny mpiara-miombon’antoka BATIMAX no angady nananana sy vy nahitana izany izay marihina fa nanolotra ny fitaovana feno rehetra ilaina ao amin’ity hopitalim-panjakana iray ity. Na izany aza anefa dia mbola andrasana avy amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka kosa ny taratasy hahazoan’ity CSB II iray ity misokatra sy ireo mpiasan’ny fahasalamana hanao ny asa rehetra sy hampiodina azy. Hisokatra avy hatrany ny hopitaly aorian’izany izay nambaran’ny Ben’ny tanana Raharinoasy Elie Dominic omaly fa tsy manavaka olona rehefa mponina ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Tsiahivina moa fa mbola hitohy amin’ny sehatra hafa ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ka anisan’izany fanavaozana ny biraon’ny kaominina Talatamaty.
Pati
Legende : Ity ilay CSB II natolotry ny mpiara-miombon’antoka ho an’ny kaominina Talatamaty omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT