KAOMININA IVATO

Hanatanteraka famoran-jaza faobe


  • Alakamisy 06 Jona 2024

Sahirana ny ankamaroan’ny Malagasy amin’izao. Na ny hanin-kohanina aza mila tsy ho hita intsony,

antony mahatonga ireo zazalahikely marobe tokony hoforaina mbola tsy vita izany eny anivon’ny fiaraha-monina eny. Misy efa mahatratra 7 taona ny sasany nefa mbola tsy vita izany ihany . Noho io antony io indrindra no manosika ireo kaominina maro hanatanteraka famoran-jaza faobe mandritra ity volana Jona ity. Tafiditra ao anatin’ny iray volana ho an’ny ankizy rahateo izany no sady fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny fahaleovantena. Ho an’ny kaominina Ivato, distrikan’Ambohidratrimo manokana dia amin’ny datin’ny 22 Jona ho avy izao no hanatontosany izany. Efa misokatra ny fisoratan'anarana eny anivon’ireo Fokontany miisa 13 na koa manatona ny biraon’ny kaominina. Fantatra moa fa hataon’izy ireo famorana maimaim-poana eny fa na dia ireo olon-dehibe aza ka mbola tsy vita izany.
Pati
Legende : Amin’ny fomba amerikanina tahaka izao no hanaovana ilay fandidiana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT