Fahasalamana

Kaominina Antananarivo renivohitra Mizaha fahasalamana maimaimpoana eny Avaradoha


  • Zoma 08 Aprily 2022

Olona maherin'ny 1000 no kendrena hisitraka ny tolotra ara-pahasalamana manakaiky vahoaka izay karakarain'ny kaominina Antanananarivo renivohitra nanomboka omaly eny amin’ny fokontany Avaradoha,

 hetsika hifarana androany. Tolotra ara-pahasalamana maro ahitana fizarana fanafody mifandraika amin’ilay aretina , fizahana maso, diabeta, tosi-dra no hatao amin’izany. Misy ihany koa ny fanaovana vaksiny miady amin'ny valan'aretina covid-19. Tsiahivina fa nanomboka tamin’ ny taona 2020 ny hetsika , ka mitety fokontany roa isam-bolana ny mpitsabo eo anivon'ny kaominina. Anisan'ny mampiavaka ny andron’ny omaly kosa ny fiaraha-miasa tamin'ny manam-pahaizana manokana amin'ny maso, ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza, ary ny tambazotra iray eto an-toerana hoy ny fanazavana azo. Olona an-jatony moa no tonga nanenjika izany omaly izay marihina fa samy tsy manana fahafahana ny hitsabo tena avokoa noho ny halafosan’ny saran’izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny hetsika notanterahina omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT